airtel

Finoana

07-juin-2022

Finoana

Tsy nisorona ny Fiangonana Tena mahantra sy sahirana ny vahoaka

Sample post image

Ankoatra, naneho ny Fiangonana fa anaty fahasahiranana sy ady ny vahoaka Malagasy. Eo ny coronavirus izay mbola tsy nifarana ary ambaran’izy ireo fa mitady hirongatra indray aza raha tsy ampy ny fitandremantsika.

07-juin-2022

Ny ady amin’ny fahantrana sy ny sondro-bidim-piainana isan’andro. Ny ady amin’ny fihanaky ny asan’ilay ratsy izay hita any amin’ny sekoly maromaro sy ireo sehatra maro hafa eto amin’ny nosy. Ny tsy fandriampahalemana sy ny ady amin’ny kolikoly. Miantraika aty ny ady any Ukraine misy akony amin’ny seha-pihariana, sy ny tontolom-piarahamonina maneran-tany. Niantso ny rehetra tsy ho kivy sy tsy hiraviravy tànana anefa ny FFKM, ary nitondra firarian-tsoa. Nanentana ny Malagasy hijoro mandrakariva amin’ny fahamarinana sy fahamasinana. Miezaka hatrany mitaiza sy mampianatra antsika ho olom-pirenena sy olom-piangonana handray sy hitana mandrakariva ny fitaizana eefa hatolotra sy mbola hatolotra ihany koa ny FFKM. Tsy adinon’izy ireo ny niantso manokana ireo mpisehatra amin’ny politika na mpitondra io na mpanohitra mba samy hampanjaka ny fandriampahalemana sy ny fiadanana ary hitandro ny tombotsoa ambonin’ny firenena ka hialana ny fihantsiana sy ny fanararaotam-pahefana, mba samy hahazo hiteny ao anatin’ny fifanajana sy fanarahan-dalàna ny rehetra,… Hery lehibe mijery sy manara-maso ny fiainam-pirenena ny Fiangonana, ary manana fijery mahitsy eo anatrehan’ny zava-misy. Ny olom-pirenena dia zanaky ny Fiangonana amin’ny ankapobeny, ny mpitondra ihany koa mazava ho azy. Fa moa mba mihaino sy mandray ny hafatry ny fiangonana am-pitiavana ve ireo mpanapa-kevitra eto amin’ny firenena ka hiaiky tokoa fa betsaka ny zavatra tsy mety? Moa mba manana fanetren-tena ny mpitondra ka vonona hanitsy amin-kitsim-po ny tsy mety sy hanova ny laharam-pahamehana hifanojo tokoa amin’ny olana sy ny filàn’ny vahoaka ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap