airtel

Finoana

09-juin-2021

VAHAO NY OLOKO

REVEREND MEDARD Inona no mampiavaka azy ?

Sample post image

Raha finoana sy fivavahana no resahana dia anisan’ny manitikitika ny sain’ny mpanara-baovao matetika ny hoe ahoana no mampirohotra ny olona any

09-juin-2021

 amin’ireo Fiangonana zandriny.Ny fotoana ijoroan’izy ireo no ela dia mibosesika ny olona.Fa inona no tena mitranga ao, inona no atao ao, ahoana ny fombafomba ara-pivavahana misy ao…ahoana ny resaka fahagagana.Nanao fanadihadiana manokana momba ny trano fivavahana Vahao ny Oloko tarihin’ny pastera Heritiana Randriarimalala sy ny International God’s Power Chapel tarihin’ny Reverend Médard Betombo , izay nanaiky niresaka sy namely  ny fanontaniana ny gazety Tia Tanindrazana nezahana hamaliana ireo fanontaniana ireo.

 

Vahao ny Oloko

Miankina amin’ny herin’Andriamanitra feno

Fiangonana iray anisan’ny manana mpino marobe manerana ny Nosy ny trano fivavahana Vahao ny oloko, tarihin’ny pastera Heritiana Randriarimalala. Noho ny herin’Andriamanitra feno hiankinan’ny fiangonana sy ireo mpino ao aminy no anton’izany.

TSY TSARA INDRINDRA

Na izany aza hoy pastera Heritiana Randriarimalala dia tsy fiangonana tsara indrindra na koa marina noho ny fiangonana rehetra ny trano Fivavahana Vahao ny oloko fa miezaka mitady sy mikatsaka ny marina ary miroso lalindalina hatrany amin’ny fahamasinana.Mampiavaka azy ireo kosa anefa ny fitazonana ny tsara efa niainana saingy raha mbola misy tsara kokoa hatrany dia ovaina mba hifanaraka amin’ny Baiboly sy ny toetr’andro.

 TSY MANANA FOMBAFOMBA

Fiangonana tsy mba manana fombafomba ny fiangonana Vahao ny oloko hoy pastera Heritiana. Ho an’ny fitafiana ohatra dia nomarihiny fa ny miboridana ihany no tsy mety rehefa handeha hivavaka.Na izany aza hoy izy dia miankina amin’ny faharesen-dahatry ny olona izany. Tsy misy mihitsy hoy izy milaza fa rehefa tonga Vahao ny oloko ny olona iray dia tsy maintsy manao izao na izao Ilay mpino mahita ny fahasoavana raisiny no resy lahatra hoy hatrany pastera ka mahalala sy mahafantatra ho azy ny sakafo tokony hohaniny sy ny fitafiana hanaovany…..

 FAHAGAGANA SY FANASITRANANA

Anisan’ny mampalaza ny fiangonana zandriny ny fiainan’ireo mpino anaty fahaganana sy fanasitranana hatrany. Tsy ny pastera no manao izany hoy pastera Heritiana fa Andriamanitra mivantana mihitsy. Rehefa mahita sitraka eo anatrehan’Andriamanitra mantsy ny fiangonana hoy izy dia mihetsika Andriamanitra amin’ny heriny ary manao zavatra ho an’ny olona, ho an’ny isan-tokantrano ary ny isam-pianakaviana Izy. Ny hataon’ny fiangonana hoy izy dia ny manoro ny olona izay tokony hataony mba hahafaly an’Andriamanitra ka rehefa faly Andriamanitra dia mihetsika eo amin’ny fiainany.

TANTARAN’NY FIANGONANA

Tamin’ny 2003 no niainga tao Ambohijafy Salazamay ny trano fivavahana Vahao ny oloko. Niainga tamin’ny olona 9 sy folo izany , niitatra tao Toamasina renivohitra noho ny fahatsapan’ny olona ny herin’Andriamanitra niasa tao aminy.Tamin’ny 2007 no niala tany Toamasina Pastera Heritiana ary nanangana teto Antananarivo. Teny Andavamamba Ambilanibe no niaingan’ny fiangonana indray araka izany teto afovoan-tany ary efa tonga ao amin’ny Mon gouter Andrefanambohijanahary ankehitriny manofa trano. Miisa 1300 moa ny trano fivavahana Vahao ny oloko ankehitriny manerana ny Nosy raha mahatratra 5 hetsy kosa manerana ny Nosy ka ny 10.000 amin’ireo no etsy amin’ny Mon gouter.

 

 Reverend Médard Betombo

 Efa nanangana olona tamin’ny maty

 Fiangonana niorina tamin’ny taona 2005 ny fiangonana International God’s Power Chapel tarihin’ny Reverend Médard Betombo. Miisa 50 eo ho eo ny fiangonana tantanany manerana ny Nosy raha miisa 5000 kosa ny mpino ankoatra ny any am-pitandranomasina toy ny any Belgique, ny Nosy rahavavy Maurice…. Mivavaka Alahady ny fiangonana International God’s Power Chapel ary tsy misy fady na resa-pitafiana na sakafo hanina.

MANAO NY FITENIN’NY ANJELY

 Zavatra efatra loha no tena mampiavaka ny fiangonana tarihin’ny Reverend Medard Betombo noho ny fandalinany ny tenin’Andriamanitra izay tena tsiambarantelon’ny fahombiazany raha ny fanazavany. Tsy hatao teoria fotsiny mantsy ny tenin’Andriamanitra ho azy manokana fa tena iainana. Anisan’ny tena mampahalaza azy ary hahafantaran’ny maro azy ny fanaovana ny fitenin’ny anjely any an-danitra izay mifindra ho azy any amin’ireo mpino. Tsy amin’ny teny gasy na frantsay mantsy hoy Reverend Médard no hiresahana amin’Andriamanitra fa amin’ny fitenin’ny lanitra. Indraindray anefa hoy izy dia sakanan’ny devoly ny fiakaran’ny vavaka sy ny fidinan’ny valim-bavaka raha hatao teny gasy na frantsay….. ka rehefa ny tenin’ny anjely no hatao dia mivantana any amin’Andriamanitra izany ary raisina eo noho eo ny valim-bavaka. Mampiavaka ny fiangonana ihany koa ny fanasitranana ireo marary amin’ny alalan’ny fanatrehan’Andriamanitra. Ny aretin’ny homamiadana no tena mampalaza ity fiangonana ity nefa efa nanangana olona maty miisa 6 ihany koa Reverend Médard Betombo ka ny zanany voalohany izay vao iray volana monja no nisantarany izany. Mpaminany ihany koa Reverend Médard raha ny fanazavany . Tamin’ny fiandohan’ny volana Aprily izy ohatra no efa sahy niteny fa ny 30 Aprily lasa teo no hifarana ny valan’aretina Covid 19 eto amintsika ary mbola notoniny ihany koa fa ho levona eto amintsika ato ho ato io aretina io. Farany izay tsy kely akory dia ny resaka hosotra. Raha vantany vao miditra ao am-piangonana Reverend Médard Betombo dia fantatra fa tapitra mianjera ny 50%-n’ireo mpino ao aminy noho izay hosotra hananany izay.

 NOFORONIN’ANDRIAMANITRA NY CORONAVIRUS

Tsy mahay mamorona zavatra ny devoly ho an’ny Reverend Médard Betombo. Andriamanitra hoy izy no nanamboatra ny coronavirus mba hamaizana ireo firenena mankato sy mankasitraka ny fanambadian’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy. Mitovy tamin’ny andron’i Noa izay nampisy ilay vehivavy nanambady biby avy any an-danitra ka nandefasan’Andriamanitra ny safo-drano hoy izy ny fahatongavan’ny coronavirus ka tokony hahatonga saina ny rehetra.

 

Pati

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Mafampana ny fifanolanana eo amin’ny sekolim-panjakana Lycée Mixte Victor Miadana na ny LVM

Card image cap