airtel

Finoana

26-oct-2021

Finoana

Vinan’ny FJKM Mbola firenena Kristianina I Madagasikara amin’ny taona 2118

Sample post image

Vinan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara ao anatin’izao synoda lehibe andiany faha 19 tanterahin’izy ireo izao ny hametraka an’I Madagasikara ho mbola firenena Kristianina amin’ny taona 2118

26-oct-2021

, raha ny fampahafantarana natao momba izany. Ankoatran’izay moa dia ao anatin’ny fihaonambe faha 5 eo amin’ireo omoneria FJKM koa ity fiangonana ity nanomboka ny 24 oktobra teo ary hifarana rahampitso 27 oktobra ao Ambohimena Fanantenana Antsirabe ka teny filamatra itondrana izy ireo izany fihaonana izany, izay efa mifandraika amin’ny vina voalaza teo ny voasoratra ao amin’ny baiboly, ao amin’ny Korintianina 15:58 manao hoe “Miorena tsara, aza miova”. Hafatra avy amin’ny filohan’ny FJKM, ny Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, ihany koa ny hanamafisana ny tarigetra manao hoe Vontosy filazantsara I Madagasikara. Manainga ireo mpino ny FJKM mba hanao fiangonana maitso sy sekoly maitso ihany koa ho fiarovana ny tontolo iainana manoloana izao fahasimban’ny tontolo iainana mihatra manerana izao tontolo izao izao. Izany hoe misarika, indrindra, ireo fiangonana sy sekoly FJKM rehetra mba hamboly hazo na hanao zaridaina eo an-tokontanin’izy ireny. Manainga ny Kristianina rehetra ihany koa ny FJKM manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny mba tsy hanaingy ireo tolo-dalana tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra toy ny mikasika ny resaka fanalan-jaza sy LGBT, hoy hatrany ny fanazavana.
Legende : Ny Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, filohan’ny birao mpiandraiitra foibe Fjkm (Tahirin-tsary)
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Ny mpijery faly sy nahatsiaro ho heniky ny fahasoavana, ireo antokom-pihira sy mpanakanto nanome ny tsara

Card image cap