airtel

Finoana

09-mai-2025

Voafidy ny Papa Léon XIV,

Amerikanina voalohany Stratejika be amin’ny toe-draharaha ara-jeopolitika eran-tany

Sample post image

pobert Francis Prevost, kardinaly Amerikanina no voafidy nandritra ny « Conclave »

09-mai-2025

omaly, hitondra ny Fiangonana Katolika Romanina maneran-tany, izay misy mpino maherin’ny 1,4 miliara. Papa faha-267 eo amin’ny tantaran’ny fiangonana hitondra ny anarana « Papa Léon XIV » amin’ny fitarihany ny fiketrahana masina. Izy no Papa Amerikanina voalohany teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana Katolika, 69 taona, teraka tamin'ny 14 Septambra 1955 tao Chicago, Etazonia zanak'i Louis Marius Prevost sy Mildred Martínez, manana razambe frantsay, italiana ary espaniola. Fantatra amin'ny maha-olona tsotra, manam-pahendrena, ary manam-pitiavana i Papa Leon XIV. Miteny fiteny dimy izy: anglisy, espaniola, italiana, frantsay, ary portogey. «Ry rahalahy sy anabavy malala ! Maniry aho mba hiditra ao am-ponareo sy ao an-tokantranonareo ity fiarahabana feno fiadanana ity. Miteny amin’ny vahoaka rehetra aho, amin’ny tany manontolo: enga anie ho aminareo ny fiadanana!», hoy izy raha nikabary voalohany omaly.

IREO DINGANA NOLALOVANY
Matematisianina ny Papa, nahazo « licence en mathématiques » tao amin'ny Villanova University izy tamin'ny 1977, ary niditra tao amin'ny Fikambanana Augustiniana. Nanao fianianana feno tamin'ny 1981 izy, ary nahazo mari-pahaizana « Master of Divinity » tao amin'ny Catholic Theological Union any Chicago. Nianatra tany Roma, nahazo ny mari-pahaizana « licence » sy « doctorat en droit canonique » tao amin'ny Pontifical University of Saint Thomas Aquinas. Misionera tany Peroa ny taona 1985-1998. Ny 2001-2013, voafidy ho Prior General (lehiben'ny fikambanana maneran-tany) tao amin'ny Fikambanana Augustiniana. Lasa Evekan'i Chiclayo (Pérou) ny 2015-2023. Ny Janoary 2023, notendren'i Papa François ho Prefect of the Dicastery for Bishops i Prevost, andraikitra ambony ao Vatican izay miandraikitra ny fanendrena eveka maneran-tany. Tamin'ny Septambra 2023, natao kardinaly izy, ary ny Febroary 2025, nafindra ho cardinal-bishop amin'ny diocèse suburbicaire d'Albano any Italy, nialohan’ny naha Papa azy.

MIATRIKA FANAMBY ARA-JEOPOLITIKA GOAVANA
Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa nisy ny famoahan’ny Filoha Amerikanina Donald Trump namboarina tamin’ny IA (Intelligence Artificielle) miakanjo akanjo fanamian’ny Papa, ary 5 andro aty aoriana dia teratany Amerikanina no voafidy ho Papa tamin’ny fifidianana nandraisan’ny kardinaly 133 latsaky ny 80 taona anjara, izay tsy maintsy nolanian’ny 89 farafahakeliny. Tsy niandry ela, fa naneho ny hafaliany avy hatrany i Donald Trump, ka nilaza fa Voninahitra goavana ho an’i Etazonia ny i Papa Léon XIV. Tsiahivina fa ny Sekreteram-panjakana Amerikanina JD Juvence ihany koa no mpitondra ambony eran-tany nihaona farany tamin’ny Pape François talohan’ny nahafatesany. Samy avy any amin’ny Faritr’i Amerika izany na ny Papa nodimandry na ny Papa vaovao. Amin'ny maha-Papa azy sady Filoham-panjakana azy, miatrika fanamby maro i Léon XIV, tsy mijanona amin’ny ara-pinoana ihany, fa eo ny ady sy ny krizy eran-tany, ny toe-draharaha ara-jeopolitika. Nasongadiny nandritra ny kabariny voalohany rahateo ny maha-zava-dehibe ny fifampiresahana sy ny firaisankina eo amin’ny mpino maneran-tany sy ny fandriampahalemana eran’izao tontolo izao. Tena miditra ny toe-draharaha ara-jeopolitika maneran-tany, ka ankoatra ny hoe : fitarihan’ny fanahy masina ny fandaniana azy, dia stratejika be amin’ny lafiny jeopolitika sy ny lamina eran-tany ny nahalany ny kardinaly Amerikanina Robert Francis Prevost.
Toky R

 

Dans la même rubrique