airtel

Finoana

30-mars-2026

Vondron’ny Fikambanana Masina

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Sample post image

mianiana amin’ny vahoaka ny mpitondra »

30-mars-2026

Ny herim-bahoaka dia herinan’Andriamanitra, ary ny antso vonjin’ny vahoaka dia antson’Andriamanitra, ka teo anatrehan’ny faharavan’ny fitondrana satanika teto Madagasikara dia mitaky fiovam-penitra mahery vaika avy amin’ny mpitondra sy ny entina ity Nosy Malalantsika ity », hoy ny fanambaran’ny VFM (Vondron’ny Fikambanana Masina) Tarihin’Atoa RANDRIAMALALA Andriamihaja ny sabotsy teo teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Ny VFM dia mandala ny soatoavina kristianina sy ny fomban-drazana Malagasy, raha ny nambarany. « Mitaky ny fombany ny tany ka mila mamantatra izany ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany, mila olona matahotra an’Andriamanitra Andriananahary eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena ; manao fihanianana ampahibemaso eo anatrehan’ny tany sy ny lanitra ary ny vahoaka Malagasy manontolo ireo mpitondra ny tany sy ny Firenena, fa hiaraka mahantra sy mijaly toa azy ireo ary miaraka misandratra amin’izy ireo ihany koa,… », hoy ny fanambarana. Mila jerena akaiky ihany koa ireo famatsiam-bola avy any ivelany izay vao mainka miteraka faharavana sy fatiantoka tsy hita noanoa ary mahatonga ny faharavan’ny orinasa maro. Mila mahay maka lesona amin’ireo tranga niteraka fahadisoam-panantenana ny tsirairay, mila mametraka ny fahefan’ny vahoaka amin’ny lalàna mifehy ny mpitondra momba ny tombotsoa iombonana, fametrahana ny lalàna mifanaraka amin’ny fanarenana ny Firenena satria ny fanaovana ny tsara no mampisandratra ary ny fahamarinana no andrin’ny Firenena, hoy hatrany ny VFM, izay nanipika fa natao ny fanambarana mba ho fanavotana sy fanavaozana an’i Madagasikara. Nampitaina ho fantatry ny vahoaka Malagasy manontolo ny fanambarana. « Manoloana ny raharaham-pirenena, dia ny mpitondra foana no lasa mpanefoefo ka takiantsika vahoaka ny fanaovan’izy ireo fianianana fa hiaraka hahantra ny vahoaka raha manao ny tsy mety, ary hiaraka misandratra amin’ny vahoaka raha tena tia an’ity tanindrazana ity. », hoy hatrany ny fanampim-panazavan’Atoa RANDRIAMALALA Andriamihaja.
Toky R


 

Dans la même rubrique

16-avril-2026

mariky ny fifanorenana

Card image cap