airtel

Hevi-petsin'ny Tia Tanindrazana

17-mars-2025

TENY KELY HO AZY

Raha nisy vaovao nalaza teto dia anisan'ilay hoe fahapoizinana ara-tsakafo

Sample post image

nahazo ny filoham-pirenena mivady sy olona maromaro niara-nisakafo tamin'izy ireo tany

17-mars-2025

Mahajanga ny 8 martsa 2025 lasa teo. Adihevitra sy resabe etsy sy eroa, santionany tamin'ireo hevitry ny olom-pirenena tao ammin'ny pejin'ny Tia Tanindrazana
1-Raphael Archange : "Fahitako azy manokana, paikady entina HANIDINA ilay RESTAURANT nisakafoanana io, mety gasy angamba no tompon'io restau io, ka mety tiana hampidirana vazaha eo, na koa hoe: Gasy miaraka amin'ny fitondrana, azo heverina mantsy ny hanakatonan'ny Fanjakana an'io Restau io aprés an'io tranga io. Vinavina ihany izany fa tsy voatery ho marina.
2-Chantal Ranaivoson : Sô de tkny hakatona ny jirama fa rano maloto no mivoaka @ paompy. Zany zao no tena insalubrité publique araka ny filazany.
3-Andry manankasina : Fa rehefa iza no tratra dia hoe hakatona ny restaurant dia rehefa iza dia hoe mankahery ireo izay narary? Ilay toe-tsaina ambanybe!!! Aza atao toy fary nama ka ny lohany indray no matsatso aaa!!!
4-Rianala Andréas : Tsy ny sakafo irery no tratran ´ny fahapoizinana f’efa ny économie ! Sosialim bahoaka ! Tsy rano tsy jiro Tsy asa tsy fampanatenana tanteraka ! Tsis raha mandeha @ laoniny ka mba zakao ny vokany e .
5-Fetra Famentsoa : Amin'izay variana any indray dia adino ny insécurité !
6-Mahateohotia Iankinantsoa:Mba jereo manokana NY mpiasa very asa fa tsy misy hanao fanahiniana anizany
7-Reenah Ladary: Famoronana asa tsy vita ny amperinasa ankatona. Mandroso Madagascar.
8-Voahangy Arivelo: Ngah moa tss protocole tsony zany sakafo-na président zany ?
9-Lora Rose : Fa ngah moa tsisy protocol sy organisation manokana ny sakafony ireny olompanjakana ireny ndry foloampirenena no resaka ,miaraka amny cahier de charge , neny reny zone franche reny ary misy .
10-Johan Andrianarilala : Mamono afo amim sosisy n amban tsena sissa mba takatr iz mnkav. 11-Ranriamaromanana Sam : Hisy hividy mora indray io hôtel io
12-Felana Nomena Rahantamalala: Fa tsy nahazaka vary mora ve zany izy e??
13-Andriamiharijaka Heritiana Nantenaina : Ny intoxication alimentaire dia mety hahazo ny olona rehetra. Misy sakafo tsy zaka na tsy mety @ vatana na ianao mihitsy no tsy salama dia nihinana sakafo fadiana. Raha zatra restaurant luxe tsy hahazaka sakafo ao @ look's. Raha ireny olona mpitsindroka amoron-dalana ireny no entinao misakafo ao @ Colbert mety harary koa satria tsy mahazatra azy.
 

Dans la même rubrique