airtel

Humour

28-mars-2022

Humour

AZA MIREDIREDY NAMA A !

Sample post image

Mbola tany misy Fanjakana ve eto, hoy ingahy Filoha fony nanambara fa ho kandida. Notanisaina ny Delestazy, tsy fandriampahalemana, tsy fanjarian-tsakafo, vidim-piainana,...

28-mars-2022

Nandeha ny propagandy, noventesina fa ho lasa sangany maneran-tany i Madagasikara kanefa io fa nihazakazaka ho rambony. Herintaona nitondrana, roa taona nitondrana, telo taona nitondrana,… saika mbola fampanantenana no betsaka. Mby aiza ilay hoe: Plan Marshall nisiana tarehin-tsora-bola 1043 miliara Ar ny jona 2020? Aiza ilay Programa PEM herintaona mahery tsy vita ihany ny drafitra? Building sy trano 50 000 anatin’ny 5 taona no nampanantenaina dia firy no vita? Haverina ihany sao mba hampihetsika ny hambo-po ny Tramway efa tamin’ny tetezamita no nolazaina tany anaty sambo, ny “Flyover” eny Anosizato sy Andohatapenaka efa ny ny 2020 no nolazaina hatombok, ny fiara Gascar efa hitsingerina indray ho roa taona amin’ny volana jona,… Tena aleo tsy mirediredy amin’ny valala tsy an-tànana fa sady manalabaraka no maha menatre e !
 

Dans la même rubrique