airtel

Humour

06-avril-2022

Humour

AZA MIREDIREDY NAMA A !

Sample post image

Lasa sokajiana ho fahavalon’ilay antoko volomboasary ny depiote iray lany tamin’ny antokony rehefa nanambara ampahibemaso ny tsy mety.

06-avril-2022

Hatramin’ny solombavambahoaka Filohana andrim-panjakana dia nilaza fa tsy mifanaraka amin’ny fitsipika anatin’ny antoko hono, ka handraisana fepetra. Adino ve fa olom-boafidim-bahoaka mpitondra ny marary ny vahoaka nifidy azy ilay miteny? Iza no ambony ny maharary ny vahoaka sa ny fitsipika anatin’ny Antoko ? Efa zatra don-tandroka lava mantsy ka na ny namana izao aza no tsy mijery arina an-tava dia sokajiana ho fahavalo! Iza ihany no mba hinoan’ireto teny e? Atao mahagaga ve raha tsisy zava-banona ilay Fanjakana? Aza mirediredy hitondra Fanjakana intsony nama raha ny arofanina politika ao anatin’ny antokonao aza sokajianao ho fahavalo a!
 

Dans la même rubrique