airtel

Humour

21-avril-2022

Humour

AZA MIREDIREDY NAMA A !

Sample post image

Niala teto Madagasikara ny Filoha toa nijaikojaiko, nandeha mangingina niazo an’i Etazonia, tsy nisy akony firy ny fialany teto.

21-avril-2022

Tonga tany, nomen’ny olona lesona ankolaka amin’ny zavatra tokony ho laharam-pahamehana. Nandeha ny fifaovan-tsonia fa hoe: hahazo famatsiam-bola, dia hankalazaina fatratra fa tsy tahaka an’ilay fomba nialana teto. Ny azo handikana ny zava-miseho kosa dia voaporofo fa Fitondrana tsy manana hazon-damosina ity, namita-bahoaka tany amin’ny propagandy, nilaza fa manana paikady efa tena vonona tsy mila fiankinan-doha amin’ny mpamatsy vola mahazatra izay tsy hampandroso na amin’ny 2020, 2050, 2060! Kofona tanteraka tsy misy hapoaka anefa raha tsy misy ny mpamatsy volamahazatra. Politikan’ny lany henatra tsy mahatsiaro ny teny navoaka tahaka izany ve no mbola handresena lahatra ny vahoaka amin’ny fifidianana manaraka. Aza mirediredy intsony nama fa mahaiza mionona a!
 

 

Dans la même rubrique