airtel

Humour

17-mai-2022

Humour

AZA MIREDIREDY NAMA A

Sample post image

Ilay izy dia tahaka ny efa ataonareo fahazarana e ny miteniteny kanefa tsy mandinika e.Tsy vitan’ny vava be fotsiny anie ny fandaminana fiarahamonina sy fitantanana firenena fa misy lafin-jaatra maro tsy maintsy jerena tsara e.

17-mai-2022

Ahoana izao io hoe Tanamasoandro io; angaha moa tsy efa vonona hatrany am-boalohany ireo hoe mpiara-miasa.Ankehitriny toa misy antso atao indray. Tezitra ianareo avy eo rehefa lazaina hoe manao rediredin’adala, moa va tsy afaka herintaona ny lalaon’ny nosy ? Ho vita mialohan’izay tokoa ve io Tanamasoandro io sa misy ampahany fotsiny aloha mba hanaovana kisehoseho , dia mody takonana ireo korontana fitaovana sy zaatra tsy vita.Hanaiky izany ve ny komity olaimpika. Aza mirediredy nama fa izay tena marina lazaina, ary izay vita ihany ampanantenaina a.
 

 

 

Dans la même rubrique