airtel

Humour

20-mai-2022

Humour

AZA MIREDIREDY NAMA A

Sample post image

Manimba ny fahefana rehefa maharitra loatra.Mety misy efa tratran’izany angamba ireo mpitantana ny firenena amin’izao fotoana ka mahatonga azy ireo miteny tsy am-piheverana, azo atao hoe mirediredy mihitsy.

20-mai-2022

Lasa any amin’ny tsy izy ny fanapahan-kevitra, variana amin’ny zavatra tsy maika.Efa aty amin’ny faha telo taona nitondrana ve vao tonga saina hoe mila karakaraina ny fambolena sy fiompiana, efa mba maro ihany anie no nisintona lakolosy hoe aza dia ny fanorenana ianja re no maha maika fa andao jerena ny hanatsarana ny fambolena eee…fa nolazaina hoe tsy tia fandrosoana ireny olona sahy niteny ireny. Ahoana izao ny momba ilay colisée nampidedaka natao ery Anatirova, ny resaka teleferika hoe efa nahazo fahazoan-dalana, ny Tanamasoandro eny Tsimabehomby Imerintsiatosika. Ny mpanamboatra sy mpikojakoja lalana aza tsy mahazo vola; sarotra be ve ilay mandinika tsara vao manao zavatra fa tsy mirediredy mampanantena isaky ny mihetsika.
 

 

Dans la même rubrique