airtel

Humour

24-mai-2022

Humour

AZA MIREDIREDY NAMA A !

Sample post image

Akoho tsy naneno ohatran’izay efa lanin’ny kary e! Ambatobevohoka tsy teraka ohatr’izay efa maty an-karanany, fa ampy izay ny rediredy sy revin-gadra.

24-mai-2022

Ho sangany aty Afrika sy hanavotra izao tontolo izao no noventesina kinanjo rambony maneran-tany sy fadiranovana indrindra no hanasokajian’ny olona antsika. Androany lazaina fa hatao 5 taona ny tsy vitan’ny teo aloha 60 taona, rahampitso miteny fa mila fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika 5 taona, avy eo indray miteny fa tsy vita 2 na 3 taona ny fampandrosoana. Fa noterena ve ianareo hiteniteny foana no zary lasa tanalahy firesaka hatrany e? Aza mirediredy intsony nama a!
 

 

Dans la même rubrique