airtel

Humour

25-mai-2022

Humour

AZA MIREDIREDY NAMA A

Sample post image

Maro amin’ireo orinasa tsy miankina no mbola tsy afaka nanondrotra ny karama,Efa mazava ny antony fa miaina anaty krizy ny firenena, sy izao tontolo izao mihitsy.

25-mai-2022

Ary raha ho an’i Madagasikara manokana dia maivana be ny fanampiana sy fitsinjovana ny sehatra tsy mainkina mba tsy ilazana hoe tsy nisy nandritra ireny fihibohana sy fiatoan’ny asa ireny. Ambara avy eo fa hoe hiakatra ny karama ka izao sy izao no atao ; iza moa no tsy ho faly raha mitombo ny vola miditra ao am-paosiny ? Fa mba ahoana ny fampiharana azy, sa tena rediredin’ny mpitanin’andro fotsiny ilay resaka fa tsy mba voadinika tsara.Telo andro ve ampy nifampiresahan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina momba io fisondrotan-karama io, sao dia mba resak’adala sy rediredy kosa e.

 

Dans la même rubrique