airtel

Humour

11-mai-2022

Humour

Ny resaka hoe fanorenana sekoly, hopitaly, tetezana, lalana dia efa aza andavanandro tsy maintsy sahanin’ny

Sample post image

fitondram-panjakana to any hoe fitandroana ny filaminana, fametrahana fandriampahalemana sy fiarovana ny sisin-tany.

11-mai-2022

Tsy tokony anaovana sehoseho be noho izany fa atao ny asa, vita ny asa, tsapan’ny vahoaka foana izany ary tadidiny. Tsy ny fananganana kianja sy fotodrafitrasa hafa anie no ratsy e, fa ilay tsy fifehezana ny tena laharampahamehana. Inona moa izao no tena ilain’ny olona maika eo amin’ny fiainany ? Moa tsy asa, sakafo, fitsaboana, fampianaran-janaka, filaminana…Rehefa eo ireo, mandeha ho azy ny dingana manaraka rehetra.Tahaka izao daholo no nataon’ireo firenena mandroso ireo.Ajanona mihitsy aloha ny rendrarendra fa ny mahasoa izay vao ny mahafinaritra.Ka aza dia mirediredy sy tia sehoseho loatra nama a.Ataovy aloha izay tsy maintsy atao, ataovy indray ny tianao atao avy eo. 

 

 

Dans la même rubrique