airtel

Humour

29-avril-2022

Humour

Rehefa mety ny atao sahobakaka aza mampidi-dranonketsa fa rehefa tsy mety ny atao ranon’apango aza misy voay.

Sample post image

Tsy sasatry ny midona amin’ny rindrina Rafanjakana. Sary izao, serasera izao, fandokafan-tena izao,… tamin’ny dia tany Etazonia farany teo.

29-avril-2022

Tahaka ny hoe: tsy misy filoha sy fanjakana tena mahavitazy tahaka ity raha ny seho ivelany no jerena. Rehefa nozohiana anefa ny vokatra nentina avy tany, dia niova ilay hiran’ny ankizy hoe: “iny ô dada ô! Nitondra mofo ô!” ka lasa hoe: “iny ô zandry ô, nitondra trosa ô!”. Ilay trosa aza anefa voasonia, fa mbola tsy sitrahana. Toa voan-dainga no novimbinina any, fampanantenana lava,… fa izay vokatra tsisy hantenaina. Ny omaly tsy miova toy ny volan-kakafotra, ka aza mirediredy intsony nama fa tsy paiso intsony olona a! Valala tsy an-tanana aza atolo-jaza e! 

 

Dans la même rubrique