airtel

Humour

19-avril-2022

Humour

Tena tsy nisy mpitondra matikambo sy manao tanalahy fomba fijery sy fiasa tahaka ity kosa angamba tao anatin’ny 60 taona.

Sample post image

Hafa no lazaina anio, hafa no tenenina rahampitso, ary hafa mihitsy ny zavatra atao. Aiza ve ka ianao izao no milaza fa tsy ilaina sy mampahantra ny fitrosana amin’ny mpamatsy vola mahazatra ary tsy handroso i Madagasikara

19-avril-2022

na afaka 30 taona aza raha mbola izany. Avy eo anefa mandeha misolelaka, miezaka manao serasera fa atokisana sy tsara fifandraisana amin’ny mpamatsy vola hono. Lasa politikan’ny tsy misy hazon-damosina fa dia tena tanalahy fiasa tanteraka, ka miovaova hevitra lava eny. Hatramin’ny antoko aza moa ovaina anarana rehefa lany manja. Mbola holalaovina amin’izany foana ve ny sain’ny Malagasy ary heverina ho badraodra mandrakariva? Aza mirediredy nama dia tsarovy ny vava natao fa mahamenatr’olona a! 

 

Dans la même rubrique