airtel

Humour

20-juil-2022

Humour

TENY GASY Mbola miteny ve ny Arivo Ariary ?

Sample post image

Tamin’ny taona 2000, samy 1000 FMG avokoa ny gazety lehibe mpivoaka isanandro, 1000 FMG ihany koa ny taxibe, ary 1000 FMG ny mofo dipaina tamin’ny lanjany sy habeny fahiny. Io taona io ihany koa no tafakatra ho 1000 FMG ny sandan’ny FF (Franc Français) iray.

20-juil-2022

«Fahiny», vao 22 taona lasa. Ankehitriny : samy 1000 Ariary avokoa ny gazety lehibe mivoaka isanandro, miady ho 1000 Ariary ny taxibe sasany, ary 1000 Ariary ny mofo dipaina izay efa sady maivana no kely kokoa noho ny fahiny. Tsiahivina fa ny Ariary = 5 FMG : firy amintsika no nahita fisondrotan-karama na fidirambola avo dimy heny tao anatin’izay roambiroapolo taona izay ?

Nizara dimy izany ny fahefa-mividin’ny ankabeazan’ny Malagasy tao anatin’ny roambiroapolo taona. Ankoatran’ny tarehi-marika avoakan’ny FMI sy «Banque mondiale» na ny PNUD, io 1000 FMG nihalafo ho 1000 Ariary io no porofo tsotra indrindra amin’ny maha andalam-pahantrana ny Malagasy. Ny fanadihadiana izay andrasana amin’ny INSTAT ato ho ato no hampibaribary fa mena avokoa ny «indicateurs» : famantarana, izay efa fanairana loza manambana.

Ny rariny sy ny hitsiny no mahavanona indrindra ny fiarahana monina. Tao anatin’ny roambiroapolo taona anefa, mba tsy hitanisana ny roambienimpolo taona nisin’ny Repoblika na ny teloambinifolo taona hatramin’ny fanonganam-panjakana farany, tsy nitsaha-nitombo ny halatra nataon’ireo mpitondra Fanjakana sy ireo «mpandraharaha» sasany nahazo tombontsoa mihoa-pampana tamin’ny varo-boba ny fananam-panjakana sy famaboana ny harem-pirenena.

Tsy tsapan’izy ireny akory fa misy fizarana fara-fahakeliny mba tsy haha alohalika ny fanafintohinana. «Antoko tokana», «didy jadona», «fampifangaroam-pahefana» : mety ho izany no nitarika ny rotaka tany aloha. Fanafintohinana ny maha-olona, satria efa mandatsa amin’ny hanin-ko hanina, no ahiana hiteraka korontana ankehitriny.

VANF

 

 


 

Dans la même rubrique