airtel

kolontsaina

06-oct-2021

kolontsaina

20 taona ny tarika Ambondrona Goavana ny seho atolotra eny amin’ny Coliseum

Sample post image

Seho goavana no atolotry ny tarika mpiangaly ny gadona Pop Rock Malagasy sy ny manodidina izay na ny tarika Ambondrona etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe ny 24 oktobra izao.

06-oct-2021

 20 taona ny tarika ary ezahana ho fehezina sy tetezina manomboka eo avokoa ireo vanim-potoana niaraha-niaina tamin’ny mpankafy nanomboka ny taona 2001 no ho nankaty. Notantarain’I Beranto tsara mihitsy fa efa iray tanàna tao Ampandrana sy Ambondrona dia nifamezivezy teo ry zalahy. Niara-nilalao kanety, nanao bandy sy raolina, fangalam-piery sy ny rehetra. Nisafidy ny iray tamin’ireo anaran-tanana miisa 2 ireo dia izay no nahatonga ilay hoe “Ambondrona”. Nanana fototeny hoe vondrona koa io. Ny 28 desambra 2001 ny kaonseritra voalohany tao amin’ny tranom-pokonolona Analakely. Nandalo sedra maro ny tarika tao anatin’izay 20 taona izay. Teo ny krizy ara-toekarena, krizy ara-pahasalamana, ny miiba sy ny miabo rehetra. Isaorana I Andriamanitra fa mbola tafajoro eto miaraka aminareo ary ianareo koa no nahatonga izany, hoy hatrany ny tarika. Tao anatin’izany no nahavitana rakikira miisa 7 nanomboka ny 2002, 2003, 2004, 2006, 2008, 2013, 2020. Taona 2005 no nanomboka nivoaka tany ivelany. Nisy fotoana ho an’ireo Malagasy diaspora dia nisy fotoana ho an’ireo vahiny toy ny tany Etazonia sy Kanada. Teo koa ireo nosy rahavavy sy Eoropa nanomboka ny 2007. Ny taona 2010 izahay namoaka rakikira tamin’ny teny Anglisy tao Afrika Atsimo. Tsy nampidirina teto satria ny teto ihany no navadika teny vahiny. Nisy fotoana no efa niondrana tany Etazonia nanao faampisehoana maro ihany koa ny tarika . Ela tsy nihaonana ary tena hilalao tsiahy kokoa izahay amin’io 24 oktobra io. Hisy ampahany ho lalaovina amin’ny rakikira vaovao fa tena ezahana hibahan-toerana ny taloha. Tsy ho ajanona eto fa entina mitety faritra ny fankalazana ny faha 20 taona, hoy hatrany ry Ambondrona. Isan’ireo mpiara-miasa hatrany amin’ny tarika kosa ny orinasam-pifandraisan-davitra Telma sy ny vondron’orinasa Vidy Varotra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique