airtel

kolontsaina

28-sept-2026

« 25 taona isika ! »

Mafy ny fifamatoran-dry

Sample post image

Ambondrona amin’ny Malagasy…

28-sept-2026

25 taona isika !", 25 taona nizarana ny kanto ary mipetraka hatrany ny fifamatoran’ny Tarika Ambondrona sy ny vahoaka Malagasy! Toy ny mahazatra, nafana tanteraka ny ambiansy teny amin’ny Coliseum omaly, fotoana nifanomezan’ny tarika fotoana tamin’ny mpankafy teto Iarivo, tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-25 taona. Hipoka tanteraka ny Coliseum omaly, izay fahatsiarovana lehibe ho an’ny tarika sy ny mpankafy, nifampizarana hafahanana sy fitiavana, niara-nahatsiahy ny fiarahana tao anatin’ny ampahefatra taon-jato. Seho matotra, matihanina ny seho na amin'ny endriny na ny votoatiny, tao anatin’ny fifanomezan-tanan’ny mpiara-miasa sy mpiara-miombon'antoka maro ary indrindra fahaizan'ireo teknisiana no nahatontosana ny seho goavana. Nampitondraina ny hoe: "25 taona isika" rahateo ny fankalazana, ka tsy izahay irery intsony fa eo ny mpankafy, hoy ry Ambondrona Voaporofo hatrany fa misoratra sy mipetraka ho tantara eo amin'ny tontolon'ny kanto Malagasy ny Tarika Ambondrona. Raha tsiahivina, niforona ny 2001 ny Tarika Ambondrona. Mpiralahy, nifanakaiky, mpifanolo-bodirindrina,... no nivondrona, nisafidy ny anaran'ny tarika ho anaran-tanana. Rakikira 7 no vita (audio), ary nivelatra tamin'ny antsoina hoe Aire streaming toy ny amazon music, application music taty aoriana izay nanentanan'i Beranto mba hijery azy ireny fony izy ireo nampahafantatra ofisily ny fandaharam-potoana mikasika ny 25 taona satria misy "royalties" raisina rehefa misy mihaino izy ireny. Nanao fitetezam-paritra tendro ka hatrany ambany, tany atsinanana ka hatrany andrefana. Nitety faritra tsy nijanona, nandritra ny covid-19 ihany no nisy fiatoana. Ny tsy nety vita, dia tany SAVA sy Fort Dauphin noho ny lalàna, saingy fanamby ny ho any amin'ity. Tany ivelany : Canada, Etazonia, Europe, Afrique du Sud mondial 2010, Maurice la Réunion,.... Hankalazaina hatramin'ny 2027 satria nisy fanokafana, ivony, famaranana. Ankoatra ny seho eto, hiitatra hatrany Canada sy Etazonia, Frantsa ho an’ny tapany voalohany. Allemagne, Belgique, ireo nosy rahavavy,... ny tapany faharoa. Hiezaka ihany ny Tarika hamoaka ny antsoina hoe "IP Album" mety hisy hira 5 na 6,…

Toky R

 

Dans la même rubrique