airtel

kolontsaina

11-oct-2021

kolontsaina

25 taona nihiran’i Samoela Tsy nisy novana ny firafitr’ireo hira hatramin’izay

Sample post image

Niainga tany amin’ny “Mampirevy”, “Manatosaka”, “Efa sy dimy”, “Efa sy folo”, “Efa sy fahefany”, “Efa sy fahatelony”. Tonga indray ankehitriny fa “Efa sasany latsaka dimy”,

11-oct-2021

hoy ny vazivazy zaritenan’ny mpanakanto, Samoela, nampahafantatra ny fikasany hankalaza hiaraka amin’ireo mpankafy azy hatramin’izay ka hatramin’izao ny faha 25 taona nihirany ny 17 oktobra izao. Etsy amin’ny tokontaniben’ny Esca Antanimena, hoy izy, no fotoana. Amin’ny maha isan’ireo mpanakanto mandala ny zavakanto ankehitriny azy dia nanazava I Samoela fa tsy nisy novana ny firafitr’ireo hirany hatramin’izay nahalalana azy tao anatin’ny 25 taona izay. Iny “Tiavina” nahenoana azy tamin’izany iny ihany no ezahana averina amin’io fotoana io. Toy izany koa ry “Ikalakely” sy “Mila namana” na ireo taty aorina sy vaovao toy ny “Rava”, “Hafaliana foana”, “Kofa tia” sy ny namany rehetra, hoy hatrany ny fanazavan’ity mpanakanto ity.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fanaon’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ny asa sosialy sy fidinana ifotony ijerena ny fiainan’ireo tantsaha,

Card image cap