airtel

kolontsaina

08-janv-2026

50 taona niakarana an-tsehatra ry Solomiral

Afaka 10 andro no fihaonana manaraka

Sample post image

Mahatsiaro», «Aza ela»,

08-janv-2026

Andefaso taratasy», «Bako», santionan’ireo sangan’asan’ny tarika Solomiral ireo ary andrasana hanakoako tokoa ato ho ato noho izao fahatongavan’ny faha 50 taona niakaran-dry izy mirahalahy an-tsehatra izao. Ny 18 janoary 2026 izao indray, raha ny fandaharam-potoana napetraky ny tarika, no hanome fotoana ireo mpankafy azy etsy amin’ny Avoria etsy Anosy izy 10 mirahalahy mandrafitra izany tarika malagasy mpiangaly ny mozika Jazz naharitra indrindra teto amin’ny firenena izany. Afaka 10 andro ihany koa, araka izany, no fihaonana manaraka amin-dry Hajazz sy ry Seta sy ny tariny rehetra. Hisy, etsy ankilan’izay, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray, ny vahiny tsy ampoizina ao anatin’izany rehetra izany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

an-tanana ao Inde

Card image cap