airtel

kolontsaina

05-févr-2026

Adihevitra momba ny

fandravàna «Colisée»

Sample post image

Ny mpitondra teo aloha namoafady, ny fanabeazana ara-kolontsaina tsy ampy

05-févr-2026

Ny an’ireo milaza azy ho taranak’Andriana moa izany dia izao tsy mifanaraka amin’ny fomban-drazana izao foana na izao ota fady izao foana ny azy ireo no atao hoe hevitra na «argument» entiny mandresy lahatra ny mpiara-belona mikasika ny mampety na tsy mampety ny fikitihana singa mirakitra kolontsaina toa an’itony heverina hoe vakokana faritra na firenena, eny, efa saika iraisampirenena itony mihitsy. Ny rovan’Antananarivo novàn’ny filoham-pirenena manta be fotsiny ho lasa rovan’i Madagasikara eto no resaka, izay amin’io mbola nasiany kolontsaina grika, izay tsy misy ifandraisany amin’ny tantaram-pirenena malagasy mihitsy akory dia io «Colisée» io. Ny an’ireo heverina hoe mpanodina loham-bahoaka na mpisolelaka isan-tokony indray dia any amin’ny lafiny hoe aza miditra amin’izany fa sao hiteraka adim-poko sy ny tariny na koa hoe fampisaraham-bazana no itondràny ny ady hevitra. Rehefa tena dinihina sy alalinina kosa ny fomba fitondràn’ny andaniny sy ankilany azy nefa dia tsikaritra fa ny fanabeazana fototra ara-kolontsaina mihitsy no tsy ampy eto amin’ny firenena. Mety tsy ampy izany koa ve ireo mivohy an’ireo karazana adihevitra ireo sa sanatria minia mivoy fampianaran-diso ara-kolontsaina fotsiny izao mihitsy? Raha ny fototra amin’ny fifanarahana iraisampirenena mikasika ny dingana ahatonga ny singa iray ho lasa vakoka na hoe «patrimonialisation» sy ny mety ahatonga izany tsy ho vakoka intsony na «dépatrimonialisation» fotsiny nefa no ifotorana dia efa ahitàna fa tsy mila resaka firazanana na fombafomban-drazana na resaka fampisaraham-bazana izany no antony tsy tokony ikitihana ny antsoina hoe vakoka na «patrimoine» tamin’ny endriny nahatonga azy ho lasa vakoka. Izany hoe raha ataontsika ohatra hoe iny naha rovan’Antananarivo iny no naha lasa vakoka ny rovan’Antananarivo dia tokony hijanona amin’iny endriny iny foana izany izy fa tsy vakoka intsony no anarany raha niova iny endriny, maika moa fa hoe novaina ny anarany. Fenitry ny atao hoe vakoka mihitsy ilay izy tsy azo ovaina endrika satria iny endriny iny no mitahiry ny tantara sy kolontsaina noraketiny teo amin’ilay fiarahamonina. Ianarana amin’ireo siansa mikirakira vakoka sy kolontsaina rehetra toy ny tantara, haigolantany, haiolona, haifiarahamonina, haivakoka sy ny maro samihafa izany no tokony ho sady voarakitra anatina fanapahana na didy, eny lalàna samihafa anatina firenena iray ihany koa. Fifanarahana iraisampirenena rahateo io, hoy ny manam-pahaizana frantsay, Jean Davanon. Iny endriny mirakitra tantara sy kolontsaina iny no natao ho azavaina amin’ireo mpizahantany na anatiny na ivelany, ankoatran’ny hoe isarihana azy ireo. Inona intsony tokoa moa no isarihana azy sy ho tantaraina aminy eo raha ovaina iny, raha tsy hoe afaka 50 na 100 taona, mandra-pisiana tantara sy kolontsaina lasa vakoka vaovao indray?
J. Mirija

Dans la même rubrique

06-févr-2026

Mitantara i Cyprien Michel Raheriharimahefa

Card image cap
05-févr-2026

Nampahafantarina tetsy amin’ny Ivokolo Soarano Analakely

Card image cap
05-févr-2026

Rabejean Miarinarivo dia mpanao

Card image cap