airtel

kolontsaina

07-oct-2021

kolontsaina

Ambanja Nofirain’ny olona antsy ny mpanankato Djino

Sample post image

Nofarain’ny olona tamin’ny antsy ny mpanankato Djino. Nandritra ny alim-pandihizana afak’omaly talata 5 oktobra tao amin'ny kaominina Bemanefika, distrikan' Ambanja no nisehoan’izany.

07-oct-2021

Tovolahy iray no nanao ilay asa ratsy ka voa teo amin'ny lohany sy tananany ity mpanakanto ity.Araka ny loharanom-baovao azo dia nisy hira nataon’i Djino tokony tamin'ny 5 ora maraina saingy tsy tian’ity tovolahy namono azy ity. Naniraka ny mba hampijanonana io hira io ilay tovolahy, nefa tsy nety ilay mpanakanto. Tezitra ilay tovolahy ka lasa nivoaka ny vavahady naka antsyary nanindrona avy hatrany mpanakanto Djino. Mamo moa ity lehilahy nahavita nanindrona antsy an’i Djino ity ary efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana.Efa nentina tao amin'ny hopitalibe Ambanja kosa ilay naratra ary tsy misy atahorana intsony ny ainy.
Pati

 

Dans la même rubrique