airtel

kolontsaina

24-nov-2021

kolontsaina

Ampanjaka Rabelalao “Tsy nasondrotra hanao politika fa hitondra ankohonana…”

Sample post image

Ny 17 novambra teo no nosorana ho Ampanjaka tany Vohipeno ny mpanao gazety Rabelaolao. Nasondrotra ho Andriambe,

24-nov-2021

izany hoe izy izany no lehiben’ny fianankaviana Antemoro Zafirambo any amin’izay toerana ipetrahany, dia Ambatofinandrahana, izay tanàna nanabe sy maha valovotaka azy. Nanaraka ireo fomba samihafa araka ny fombafomba ara-drazana, manaraka ny riba sy kolontsaina Antemoro. Olona marobe nahitana ireo Ampanjaka, Raiamandreny ara-drazana sy ara-piarahamonina,… no nanome voninahitra azy. Maro no nifanotrona hanatitra azy tany tao Ambatofinandrahana, saingy nisy ny karazana antsojay, ka voatonona ho tao ambadik’izany ny manam-pahefana iray, Filohana andrim-panjakana manana fihaviana avy any an-toerana, hoy ny fampahalalam-baovao iray. Tsy zanak’Amoron’i Mania anefa no entin-dRabelalao fa ny zanaka Antemoro Zafirambo mipetraka any Ambatofinandrahana. Tsy Mpanjakan’Ambatofinandrahana noho izany izy. Tsy hanao politika no nanondrotana azy ho Mpanjaka fa hitondra ankohonana, filaminana ary fandriampahalemana. Nanotrona ny lanonana izany ny namana sy ny fianankaviana sy delegasiona maro avy aty Antananarivo nahitana ny Sekretera nasionalin’ny Arema, izay antoko nibeazany ara-politika ankoatra ny maha mpanao gazety an’i Rabelalao. Izay resaky ny olona any resany, hitazona ny bako, hitazona sy hampianatra ny fomba ary hitazona sy tantara amin’ny fianakaviana, mba tsy ho angano, hoy ity Ampanjaka ity.
Toky R

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Araka ny rafitra iraisam-pirenena momba ny tantara an-tsehatra na teatra dia isaky ny 27 martsa

Card image cap
27-mars-2024

Hafotaka ny fankalazana ny fetin’ny Paska amin’ity taona 2024 ity ho an’ny ao Antsirabe,

Card image cap