airtel

kolontsaina

28-mars-2022

kolontsaina

Andrarezin’ny jazz Malagasy Notolorana mariboninahitra i Fanaiky

Sample post image

Notanterahina ny harivan’ny zoma teo tetsy amin’ny Ivokolo Analakely ny seho sehatra nokarakarain’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera amin’ny alalan’ny OFNAC ho fankalazana ny faha-35 taona

28-mars-2022

 niakaran’i Fanaiky an-tsehatra. Hetsika natao ihany koa hanampiana azy amin’ny fitsaboan-tena izay mbola ataony izay, hoy ny fampitam-baovao. Nomen'ny minisitera azy maimaim-poana, araka izany, ny Ivokolo ho an'ity hetsika fanohanana azy ity. Nandritra io lanonana io no nanondrotana an’i Fanaiky na i Rasolomahatratra Ny Herivelona Fanaiky amin’ny laharam-boninahitra “Commandeur de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture”. Ny minisitra Lalatiana Andriatongarivo izay filohan’ny filankevi-pirenen’ny mariboninahitry ny kanto, ny soratra ary ny kolontsaina amin’ny maha minisitra misahana ny kolontsaina azy no nanolotra izany. Ny gitara beso no tena nahalalana an’i Fanaiky ary isan’ireo andrarezin’ny jazz malagasy izy. Efa nitondra avo ny mozika Malagasy tany Afrika, Eoropa ary Amerika i Fanaiky, hoy hatrany ny fanampim-panazavana.
J. Mirija

Dans la même rubrique