airtel

kolontsaina

12-oct-2021

kolontsaina

Angaredona andiany faha 16 Hatao any Toamasina ihany

Sample post image

Mafy ny fiantraikan’ny valanaretina manerana izao tontolo izao ary isan’ny voakasik’izany ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina,

12-oct-2021

 hoy ny fanazavana voaray tetsy amin’ny Campus Telma Andraharo omaly, mikasika ny fikorontanan’ireo tetiandron’ireo hetsika ara-kolontsaina eto Madagasikara izay nahemotra ny ankamaroany. Ny volana jona ny tompon-kevitra tamin’ny Festival Angaredona dia ilay andrarezin’ny fitendrena valiha Malagasy, Rajery, no efa nampahafantatra fa hatao any Toamasina ity hetsika natao hanandratratana ireo mozika velona eto Madagasikara ity. Ho tontosaina any an-toerana ihany izany ny 21 hatramin’ny 24 oktobra izao. Handray anjara avokoa ireo mpanakanto misolo tena ny foko miisa 18. Nofidiana manokana ny renivohitr’I Betsimisaraka satria fiposahan’ny masoandro any atsinanana ary renivohitra ara-toekarena Malagasy koa any. Ny orinasam-pifandraisan-davitra Telma kosa no hisahana ny serasera ilaina rehetra hampitana ny hetsika ho ren’izao tontolo izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap