Betsaka ny lesoka hita amin’ny fitaovana nofidiana, hoy ny birao politikan’ny antoko MMM, Rakotomalala Rija, teny Alarobia. Maro ireo fanatsarana tokony hojerena akaiky amin’ny fampiasana izany, hoy izy. Nitsiany fa tokony atao laharam-pahamehana ny fampiasana ny fitaovana manaraka toetr’andro amin’ny fikirakirana ny lisim-pifidianana, hoy izy. Eo koa ny fametrahana mpanara-maso mahaleo tena amin’ny fampiasana ny « Logiciel ». Zava-dehibe ny tokony hampiasana fitaovana manaraka ireo hiaka farany raha ny lafiny ara-teknika manokana. Efa tsy manaraka ny toetr’andro intsony ny « Logiciel sigle » nofidiana ka ahiana hitarika olana amin’ny fikirakirana ireo lisitry ny mpifidy. Tena saropady io resaka io, hoy hatrany izy. Nambaran’ny Ceni anefa fa natao hisorohana ny fiverimberenan’ny anarana verindroa na « Doublons » izany fitaovana izany. Etsy andaniny, nanteriny fa tokony hisy ny mpanara-maso mahaleotena avy any ivelany amin’ny fampiasana ity “logiciel” ity. Maherin’ny 5000 isa ireo mpanisa mpifidy na “Agent recenseur” manerana ny nosy hampiasa ny « Tablette » misy izany rindrambaiko izany. Tsiahivina fa hanomboka ny 1 oktobra izao ny fanavaozana tanteraka ny lisim-pifidianana. Hatao ny alakamisy izao kosa ny fampahafantarana ofisialy ny momba ity “Logiciel” ity, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Tontosa omaly tetsy amin’ny Tranom-bokim-pirenena etsy Anosy ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny boky