tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

kolontsaina

Antoko mpihira Taratry ny mazava Nafana ny fankalazana ny 20 taona

Tontosa soamantsara omaly tolakandro ny kaonseritra lehibe fankalazana ny faha 20 taonan’ny antoko mpihira Taratry ny mazava tetsy amin’ny ESCA Antanimena.

21-nov-2022

Sample post image

Fiaraha-mientana sy fiderana an’Andriamanitra moa no tena nandrasana ho isan’ny zava-dehibe ka dia tanteraka izany, hoy ny mpikarakara. Nafana ny fankalazana. Eo koa ny fankaherezana antsika mbola velon’aina taorian’ireny sedra rehetra nandalo tao anaty Covid 19 ireny. Misy antony matoa isika mbola nataon’Andriamanitra eto taorian’ireny rehetra ireny. Mbola ilain’Andriamanitra ny olony hampihely ny filazantsara mba tsy ho tampoka amintsika ny fihavian’ny Tompo eny amin’ny rahon’ny lanitra araka ny lohatenin’ny fampisehoana sy ny rakikira manao hoe “Lozako raha tsy mitory ny filazantsara aho”, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Legende: Tetsy Antanimena omaly
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fanabeazana sy asa fandraharahana Hiara-hiasa akaiky ny Club IST’Orique sy ny JEJOO
02-juin-2023

Sekoly ambony momba ny teknolojia ny IST ary lalam-piofanana lehibe telo no misy ao aminy izay tsy misy fampiofanana momba ny asa fanaovan-gazety.

Card image cap
Carpe diem Ho ampiainina etsy Isoraka miaraka amin’ny Doubl’e’nn
02-juin-2023

Antsika izao tontolo izao», io no lohatenin’ny fampisehoana ho entin’ilay mpiangaly mozika Rap efa nanamarika ny faraparan’ny taona 1990

Card image cap
Josephin Andriandrainarivo «Maka ozona amin’ny mpahary isika manovaova teny malagasy io»
01-juin-2023

Laharana faharoa amin’ny maha olona ny olona ny teny, hoy ny mpandala maha malagasy sady filohan’ny Fikambanan’ireo mpitsabo nentim-paharazana eto amintsika na ANTM, Josephin Andriandrainarivo.

Card image cap
Iray volan’ny ankizy Ankizy miisa 300 no notolorana fanomezana omaly
01-juin-2023

Hankalazaina mandritra ity volana jona ity ny iray volana ho an’ny ankizy. Tsy handalo fotsiny ihany izany ho an’ny vadin’ny filoha amin’ny alalan’ny fikambanana Fitia sy ny Ministeran’ny mponina.

Voir plus