airtel

kolontsaina

23-juin-2022

kolontsaina

Arikaomisa Randria sy ny ekipany Namoaka mpiofana momba ny teatra, kabary,…

Sample post image

Tontosa ny dingana voalohany amin’ny fanofanana maharitra iray volana mikasika ny filalaovana tantara amin’ny onjam-peo,

23-juin-2022

 ny sarimihetsika, tantara an-dapihazo ary kabary izay niarahan’ny Malagasy efa ela nilomanosana tamin’izany sy efa be traikefa ao anatin’ihany koa izay notarihin’ny anarana efa diso fantatra, Arikaomisa Randria sy ny ekipany. Nanampy azy tamin’ny fanofanana moa, raha ny fanazavana nentiny nandritry ny famoahana ireo nahavita izay dingana voalohany izay tetsy amin’ny toerana nanaovana izany etsy amin’ny ES DES Ankadivato omaly ry Doudou Arilala, izay mpilalao amin’ny onjam-peo, Nofy Andrianjaka, mpanentana amina onjam-peo, Andry Rakotoniaina, mpampianatra teatra, Lucas, mpikabary. Miisa 50 eo ireo mpiofana nomena sertifika teny an-toerana ho an’izao dingana voalohany izao ary afaka mbola manohy fiofanana amin’ny dingana faharoa amin’ny volana aogositra raha mbola mazoto. Nifotorana nandritry ny fiofanana ny resaka feo fotsiny, ho an’ny filalaovana tantara amin’ny onjapeo ary feo sy fihetsika moa ho an’ny sarimihetsika sy teatra ary mazava ho azy fa fahaizana manoratra sy mandrindra hevitra no nifotorana tamin’ny resaka fampianarana manoratra sy mikabary. Niara-niasa nahafahana nanatontosa izao ihany koa, hoy hatrany I Arikaomisa Randria ny ONG ACDM izay mifantoka amin’ny asa mivaingana ho fampandrosoana an’I Madagasikara. Misy efa misehatra amin’ireo sokajy voalaza ireo ireto mpiofana vao navoaka ireto, hoy izy, nefa tsy mena mitaha amin’ny efa za-draharaha.
J. Mirija
Legende: Ry zalahy mpampiofana
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Araka ny rafitra iraisam-pirenena momba ny tantara an-tsehatra na teatra dia isaky ny 27 martsa

Card image cap
27-mars-2024

Hafotaka ny fankalazana ny fetin’ny Paska amin’ity taona 2024 ity ho an’ny ao Antsirabe,

Card image cap