airtel

kolontsaina

03-sept-2021

kolontsaina

Asa fanaovan-gazety Nodimandry i Dany be

Sample post image

Misaona indray ny tontolon’ny fanaovan-gazety sy ny fikirakirana sary an-gazety na “photo journal” satria dia niamboho teo amin'ny faha 86 taonany omaly

03-sept-2021

 ny sojaben’ity tontolo ity dia Ny Andriana Rakotoseheno Daniel na i Dany Be, mpaka sary, mpanao gazety. Nandritry ny 57 taona izy no nisehatra teo amin’ny fanaovan-gazety, indrindra, ny fakana sary an-gazety. Maro ireo namana teo anivon’ity tontolo ity taty aoriana no nandray traikefa sy fiofanana ary lesona tamin’izany Dany be izany. Isan’ny nilomanosany ny sampan-draharaha Frantsay momba ny sary “Gamma et Sygma” ary nialoha izao fodiamandrin’izao aza dia mbola nisahana andraikitra teo anivon’ny “Centre de resources des medias” teto an-tanindrazana ny tenany. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ireo akaiky ity andrarezin’ny sary an-gazety Malagasy ity rehetra ny gazety Tia tanindrazana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique