airtel

kolontsaina

07-mars-2024

Asa soratra ho an’ny fiovana miabo

Nivoaka ny « Kristiana misaina, mirotsaka, manova fiarahamonina mibiloka »

Sample post image

Ho anjara amin'ny fanabeazana sy fampitaovana ny kristianina hiatrika

07-mars-2024

ny fiarahamonina mba hitondra fiovana miabo, no antony nanoratako izao boky izao mba hisongadina ny kristiana sy ny Fiangonana amin'ny fampiainana ireo soatovina araka ny Soratra Masina eny amin'ny tontolo misy azy, hoy i Hubert Rakotoarivony, Mpitandrina, Andraikitry ny rehetra ny fikendrena ny mahasoa ny fiarahamonina ary natao ho anjara biriky ho amin'izany izao boky fanabeazana izao, izay nampitondraina ny lohateny hoe hoe « Misaina, Mirotsaka, Manova fiarahamonina mibiloka ». Tao amin'ny ivontoerana kristiana, Notre Oikos, Tsiadana no nanatanterahana ny fampahafantarana ary ny trano famoaham- boky, Edisiona TENY, no nanonta ny boky. Voizina moa ankehitriny ny fiheverana fa natao hiaina ny finoany manokana ny tsirairay ary anisany voakasik'izany ny finoan'ny kristiana. Voizina miaraka amin'izany ny famerana ny firotsahan'ny kristiana amin'ny sehatra fampandrosoana ny fiarahamonina ary anisany ahatarafana izany fomba fisainana izany ireo adihevitra momba ny fandraisan'ny kristiana anjara eo amin'ny sehatra politika ohatra. Hanitsy ireo fiheveran-diso izay marnetra ny firotsahan'ny kristiana eny amin'ny fiarahamonina sy haneho aminy ireo fomba ahafahany mirotsaka an-tsehatra ary miantraika no tanjon'ny mpanoratra amin’ny alalan’ity boky ity. Noho ny faharesen-dahatra fa nantsoina hitondra fiovana miabo eo amin'ny tontolo izay nametrahan'Andriamanitra azy ny kristiana tsirairay, dia mitaona ny kristiana ho mpisehatra mitondra vahaolana eo amin'ny fiarahamonina ity boky ity fa tsy ho mpamakafaka sy mpitazana fotsiny ihany. Natao ho an'ny olona rehetra izay liana amin'ny foto-pinoana kristianina ihany koa ity boky ity, indrindra ireo mpanabe sy mpitondra fivavahana ary ireo mpitarika isan-tsokajiny eto amin'ny firenena. ENCADRE Mpitandrina Fjkm i Hubert Rakotoarivony, fantatra kokoa amin’ny resaka fampianarana sy fampihofanana momba ny « Leadership » tany Afrika sy teto Madagasikara izy. Nisy ireo nifanampy sy nifanome tanana taminy tamin’ny fanatontosana ity boky ity ka anisan’izany i Zaka Andriamampianina, mpitandrina ary mpikambana ao amin’ny birao foiben’ny Fjkm.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique