airtel

kolontsaina

17-sept-2021

kolontsaina

Asa tànana sy vokatra sy Malagasy Raikitra ny fampirantiana “Made in Madagascar”

Sample post image

Nisokatra omaly tetsy amin’ny Hotely Le Louvre Antaninarenina ary tsy hifarana raha tsy ny alahady 20 septambra izao ny varotra fampiratiana nomena ny lohahevitra “Made in Madagascar”

17-sept-2021

 hampahafantarana ny asa tànana sy vokatra vita Malagasy: fanaka, sary sikotra, sakafo voahodina, zava-pisotro, sôkôla, mofomamy,…. Nanokatra sy nanome voninahitra izany ny Minisitry ny asa tànana Rtoa Sophie Ratsiraka, izay naneho fa mifantoka amin’ny fanandratana sy fanohanana hatrany ny vita Malagasy ny politikan’ny minisitera, na mbola mafy aza ny ady ao anatin’izany. Nandritra io ihany koa no nanamafisan’ity minisitra ity ny fananganana ny tanànan’ny haitao na “Cité des métiers” izay heverina fa hanakaiky ny seranam-piaramanidina Ivato, manana velarana 2ha eny Ivato Ambohidratrimo, izay efa nankatoavina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 15 septambra teo. “Noho ny mbola tsy fisokafan’ny sisin-tany, dia eto an-toerana ihany aloha no ahafahana tena manao fampirantiana sy fampahafantarana azy, izay hanentanana ny fanjifana ny Vita Malagasy. Atao io mba ho tosika sy hahafantaran’ny olona ny asa tànan’izy ireo, ary hanehoana fa tena tsara sy mendrika ny vita Malagasy”, hoy Rtoa Hanitra Rasoamanambola iray amin’ireo mpikarakara ny varotra fampiratiana “Made in Madagascar”. “Ahafahan’ny olona mijery sy manjifa ny asa tànana Malagasy, ahitan’ny olona fa tsara ny asa tànana eto amintsika, ary manana zavatra tsara isika, fa tsy voatery ny any ivelany foana no hovidiana. Tena mila manjifa ny vita Malagasy isika”, hoy hatrany io mpikarakara io. Nilaza hiezaka hanao fampiratiana any amin’ny faritra ihany koa izy ireo satria maro ihany koa ireo mpandraharaha sy mpanao asa tànana any amin’ny faritra no maniry ny hisian’ny hetsika toy izao. Tsy misy vidim-pidirana ny varotra fampiratiana ao amin’ny Le Louvre Antaninarenina, ary natao ho an’ny sokajin’olona rehetra, hoy ny mpikarakara nanentana ny olon-drehetra ho avy hitsidika izany.
Toky R
 

Dans la même rubrique