airtel

kolontsaina

02-juin-2022

kolontsaina

BIG MJ Naodina tany ivelany ny ankamaroan’ireo hirany

Sample post image

Namoaka ny raki-kirany vaovao mitondra ny lohan-teny hoe : Mpanjaka i Big MJ omaly na Toetran’i Aina Parfait, anarana nomen-dReniny azy. Ahitana audio sy DVD izany, izay marihina fa tena raitra tokoa ary hamidy amin’ny

02-juin-2022

alalan’ny vovonana na plateforme. Raha araka ny fanazavan’i Big tamin’ny mpanao gazety omaly dia tsy tambo isaina intsony ny vola laniny tamin’ny famoahana ity raki-kira ity. Nahatratra 500.000 Ar isaky ny hira iray mantsy no lela-vola laniny rehefa miditra Studio izy ireo. Tafakatra 10 tapitrisa Ar kosa ny nanao raki-kira iray hoy hatrany izy nefa mahatratra 35 isa ny hira ao anatin’io raki-kirany vaovao io. Fanomezana ho an’ny mpankafy avokoa izany rehetra izany raha araka ny fanazavany. Nisy tamin’ireo raki-tsary novokariny mantsy no tany ivelany no naodina raha nisy ihany koa ny teto an-tanindrazana. Nomarihin’i Big MJ moa na ilay lehibe Manafo Jobo fa efa 14 taona niainana tao anaty fahombiazana ny tenany raha 20 taona ny niakarana an-tsehatra kosa, antony nampitondrainy ny lohan-tenin’ity raki-kirany vaovao ity manao hoe : Mpanjaka. Ilay Andriamanitra nahary tongotra aman-tanana azy no derainy sy omeny voninahitra ao anatin’io hirany vaovao io izay tena efa be mpankafy sahady. Anisan’ny nanampy betsaka an’i Big tamin’izao fivoahan’ny album ny vaovao izao moa Jerry Marcos na JM Production notronin’ny Zoky Vonjy, anisan’ireo olona nambaran’i Big fa tena hatokisany indrindra.

Pati
Legende : Big MJ nampahafantatra ilay album vaovao mitondra ny lohanteny hoe: “mpanjaka” omaly
 

Dans la même rubrique