airtel

kolontsaina

07-juil-2022

kolontsaina

Black Nadia Hitety an’I Eoropa

Sample post image

Saika 28/30 andro izahay dia manana praograma foana saingy mba naka aina kely 5 andro tamin’ity dia andeha indray izao, hoy ny mpanakanto Black Nadia.

07-juil-2022

6 taona ihany koa izao no nisian’ny BN Production izay tantanako saingy tamin’izany tsy nisy artista hoe natosiko fa fampiaraham-peo na “featuring” foana no nataoko. Manomboka eto kosa dia tena hoe hanampy mpanakanto amin’ny alalan’io koa ny tenako. Hitety an’I Eoropa sy La Reunion, Maurice, Mayotte, Dobay ary misimisy maromaro ankoatran’izay ny tarika Black Nadia. Hivoaka foana izahay manomboka amin’io septambra io. Feno na “au grand complet” hatrany ny tarika satria aleo manao zavatra tsara na mety ho maty vola aza ho an’ny mpankafy. Ho avy ny vokatra vaovao saingy mbola tsy lany mamy aloha ireo vokatra farany na “tube” dia ny “Masaka am-potony”, “BB” ary ny Cover kalon’ny fahiny farany iny. Alohan’ny fetin’ny taom-baovao indray vao hamoaka vokatra manaraka mba hisy fafiny ho an’ny mpankafy, hoy hatrany I Black Nadia.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique