airtel

kolontsaina

17-janv-2023

kolontsaina

Black Nadia Hiverina an-tsehatra amin’izay fa efa salama tsara

Sample post image

Mirary taona zina ho antsika rehetra ao anatin’izao taona vaovao izao, hoy ny mpanakanto, Black Nadia. Efa miverina miasa izahay, hoy izy, ary efa mandeha ny fitetezam-paritra.

17-janv-2023

Misy efa namandrika daty ary hampirisihina hanao izany aloha isika izay mbola te hamandrika. Efa salama tsara ny tenako ary efa manaraka fitsaboana na “traitement”. Maorisy, Mayotte, Seychelles, Dubai, Nosy be sy ny tariny izao no fandaharam-potoana akaiky indrindra. Izany hoe fitetezam-paritra iraisampirenena no ho tanterahana manomboka ny fiafaran’ity volana janoary ity. Ho avy koa ny eto an-tanindrazana ary misy dia misy ny vokatra vaovao izay efa misy sombiny any amin’ny tambazotran-tserasera any. Tsy ho ela dia hivoaka ny horonantsary mikasika izay hira vaovao izay. Somary niverina kely amin’ny gadona malagasy indray io. “Ravoravo” no lohateniny ary manentana antsika hoe mifalia fa mbola velon’aina. Ba gasy mihitsy, izany hoe, salegy mogodro moa no gadona iangaliana ity vokatra vaovao ity dia nafangaro mangaliba, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Hatramin’izao dia mbola tsy eken’ny fanjakana malagasy ho andro tsy fiasana

Card image cap