airtel

kolontsaina

12-juil-2021

kolontsaina

Boky hafakely ho an’ny ankizy Navoaka ofisialy tetsy amin’ny IFM ny « Aomby »

Sample post image

Tontosa soamantsara ny sabotsy lasa teo tao amin’ny IFM Analakely ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny boky ho an’ ankizy mitondra ny lohateny hoe :

12-juil-2021

 « Aomby » izay nosoratan’ i Jean Pierre Haga. Rivo Randremba izay matihanina amin’ny tontolon’ny sary vita tànana kosa no nanao ny sary, ary ny Edition Mpariaka Boky Madagasikara no nanatontosa ny famoahana. Boky sarisary iray manotolo ho an'akizy io ny boky « Aomby », izay mitantara fiainan’ ny omby , ny varotra omby, ny asan-dahalo,… Mba hampiaina azy tsara, dia natao miendrika tantara ho an’ ankizy. Amin’ny tenim-pirenena roa dia Malagasy sy Frantsay, ary efa miparitaka eny amin’ny fivarotam-boky maro ny “Aomby”. Na eo aza ny fandrosoan’ny teknolojia dia hafa ihany ny vaky boky, hoy ireo angady nanana sy vy nahitana ity boky miseho amin’ny endrika hafakely ity. Natao ihany koa moa io fotoana io mba ho fahatsiarovana ny mpanoratra sady mpihira Jean Pierre Haga izay efa nodimandry ny taona 2018, saingy na efa lasan-ko razana aza izy, dia mitoetra ho lovan’ny taranaka kosa ny soa sy ny kanto navelany.
Toky R

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap