airtel

kolontsaina

01-mars-2021

kolontsaina

Brunelle Razafitsiandraofa “Tsy maintsy miverina amin’ny maha Malagasy isika”

Sample post image

Manana ny tantarany ny firenena, hoy ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa, nivoaka tamin’ny fahanginany manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny.

01-mars-2021

 

 

 

 Izay tantara izay, hoy izy, dia tsy azo adinoina na lalovana fotsiny eo amin’ny fiainam-pirenena. Mitsingerina anio (TTF: ny sabotsy teo), ny andro azo lazaina hoe nanapahan’ny mpanjanan-tany na Frantsay ny fipetrahan’ny atao hoe fiandrianan’ny firenena Malagasy teto amin’ity firenena ity satria mitsingerina ny nanesorana ny mpanjaka Ranavalona III teo amin’ny seza fiandrianany ( 27 febroary 1897). Taorian’izay dia nisesisesy ny fandravana nataon’ny mpanjanatany ny fiandrianana manerana ny nosy. Mahatsapa sy mahita ny rehetra fa mikoroso fahana ny firenena. Azo lazaina mihitsy hoe very hasina. Na tiana na tsia rehefa jerena ny fiainam-pirenena nanomboka tamin’izany ka hatramin’izao dia tsy nahafapo mihitsy ny zava-nisy teto. Mahatsiaro ny taranak’andriana rehetra na ny avy eto Imerina na ny avy any amin’ny faritany hoe sao dia tokony handinika, hifampiresaka, hifanakalo, hifampizara isika mikasika ity firenena ity? Tsy misy afa-bela fa samy mizaka ny takaitra napetrak’izay hoe fandravana fiandrianana teto amin’ny firenena izay avokoa ny rehetra. Antony nahatongavako eto amin’ny fihaonan’ireo andriana manerana ny nosy eto Ambohipotsy izany anio, hoy hatrany izy, ny sabotsy teo. Ny hasina sy fiandrianana tsy maintsy misy fadiny sy fombany. Ny tsy fanajana izany no mampikorosofahana antsika, hany ka isika tompon’ilay tany dia tsy tafatoetra, tsy manjaka, tsy migoka fa ny vahiny no manjaka. Fady an’i Madagasikara, ohatra, ny mivarotra tany amin’ny vahiny na miray tsikombakomba aminy amin’izany resaka tany izany. Tsy voahaja teto tao anatin’ny vanim-potoana lava anefa izany. Tsy maintsy miverina amin’ny maha Malagasy isika, izany hoe, ny soatoavina, rafitra, fomba fijery sy fisainana hoe soa iombonana, firaisankina, teny ierana no mila miverina eto amin’ny firenena rah ate ho tafavoaka isika, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap
17-avril-2024

Hiainga eny Talatamaty indray ny 5 may izao ny «Revy Mahaleo» i

Card image cap