airtel

kolontsaina

05-mars-2021

kolontsaina

CENAM 67 Ha Am-perinasa ny atelier HAR’KANTO

Sample post image

Notokanana tamim-pomba ôfisialy omaly tetsy amin’ny CENAM 67Ha ny Atelier HAR’KANTO,

05-mars-2021

 

 

 ivon-toerana hahafahan’ireo mpanao asa tanana eto amintsika mianatra sy manovo fahalalana hatrany. Azo hianarana, hanarahana fiofanana, hanaovana asa iombonana ity ivon-toerana ity raha araka ny fantatra. Ny association FITIA izay tarihin-dramatoa Mialy Rajoelina no nanavao ny toerana sy namatsy ara-pitaovana izany hahafahan’ny vehivavy misitraka ny tombontsoa rehetra, indrindra fa ireo mananontena. Maro karazana ny asa azo tanterahina ao anatin’izany toy ny zaitra, ny fikirakirana rafia … Misy ihany koa ny ivon-toerana natokana handraisana olona izay tsy misy tambiny. Marihina moa fa vehivavy manana fahasembanana miisa 20 no nahazo fiofanana momba ny fanaovana mofomamy sy nahandro omaly izay notoloran’ny vadin’ny filoha fitaovana ho enti-miasa avy hatrany.

Nangonin’i Pati

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fanaon’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ny asa sosialy sy fidinana ifotony ijerena ny fiainan’ireo tantsaha,

Card image cap