Nizara ny fomba fijeriny momba ny fiainan’ny Malagasy fahiny i Dadafara Bera, ka nanasongadina fa ny finoana sy ny tontolon’ny fanahy no tena niorenan’ny fiarahamonina malagasy taloha. Araka ny fanazavany, tsy azo sarahina ny finoana sy ny fanahy teo amin’ny malagasy fahiny. Ireo no nitarika ny fomba fiainana, ny fifandraisana teo amin’ny samy olona ary ny fifandraisana tamin’Andriamanitra. Nambarany fa ny finoana no nahafahan’ny Malagasy taloha nanatanteraka asa lehibe sy sarotra, toy ny fanamboarana hadivory lalina sy rafitra fiarovana isan-karazany izay mbola mahagaga hatramin’izao.
FAHAIZA-MANAO MANOKANA
Niresaka momba ny fisian’ireo zohy sy tonelina ambanin’ny tany ihany koa izy, izay voalaza fa natao ho fiarovana sy fialofana tamin’ny fotoana sarotra. Tsy noho ny ady ihany anefa, hoy izy, no antony namoronana izany fa noho ny fomba fiainan’ny Malagasy izay tsy tia misehoseho sy nanome lanja ny fitoniana. Mino i Dadafara Bera fa nisy fahalalana sy fahaiza-manao manokana nananan’ny razana, toy ny fahaizana mifehy ny natiora, mampiantso orana na mametra izany arakaraka ny filàna. Na dia maro aza no mihevitra izany ho angano na lovantsofina, dia heveriny fa porofon’ny fifandraisana lalina teo amin’ny olona sy ny tontolo manodidina azy izany.
ODY, FANAFODY, FANARARAOTANA
Momba ny ody sy ny fanafody gasy kosa, dia nanazava izy fa efa nisy hatramin’ny ela ireo ary nifamatotra tamin’ny finoana sy ny tontolon’ny fanahy. Nambarany anefa fa misy ny fanararaotana sy ny fitaka miseho amin’izao fotoana izao, ka mahatonga ny olona sasany hanaratsy na hanakiana ireo fomba nentin-drazana. Nanamafy ihany koa izy fa ny firaisan-kina, ny fifanajana ary ny fifampitokisana no anisan’ny soatoavina nanamarika ny fiarahamonina malagasy fahiny. Raha tiana hiverina ny hasin’ny firenena sy ny fihavanana, hoy izy, dia ilaina ny miverina mijery sy manome lanja ireo lova ara-kolontsaina sy ara-panahy navelan’ny razana. Volamena latsaka anaty vovoka ny hasin’ny Malagasy. Tsy havelan’ny masoandro tsy hamiratra izany raha toa ka averina ny fifankatiavana, ny fifanajana ary ny firaisan-kina , hoy i Dadafara Bera namarana ny teniny.
Nangonin’i Julia