airtel

kolontsaina

20-oct-2021

kolontsaina

Dama sy Bekoto Hampirevy Mahaleo ao Fianarantsoa

Sample post image

Mialohan’ny fankalazana ny faha 50 taonan’ny tarika Mahaleo dia niangavy ry zareo any Fianarantsoa hoe mba hasiana revy Mahaleo koa any mialohan’izay, hoy I Dama sy Bekoto,

20-oct-2021

izay akanga sisa nanamboran’ny tarika Mahaleo omaly. Ao Alasora, kianjan’ny fo masin’I Jesoa Kristy ao Fianarantsoa no fotoana nifanomezanay sy Bekoto hampirevy Mahaleo any an-toerana ny faran’ny volana oktobra ity, noho izany, aloha, hoy I Dama, satria mba te hiaina mialoha io ambiansy ho entina eto Antananarivo io koa ry zareo. Hisy fahasamihafany amin’ny ao Antsahamanitra anefa ny fampisehoana fa io tsy azo atao dika mitovy toy ny kara-panondro, hoy izy mirahalahy. Hampiakarinay koa ny mpanan-talenta any an-toerana. Ity sy ny ao Antsahamanitra izany aloha dia famaliana ny antsonay hoe “Ianareo ve hijanona sa iaraka aminay” mialohan’ny fanomanana ny faha 50 taona ho atao amin’ny herintaona. Miankina amin’ny antson’ny faritra hafa ny tohin’ny fitetezam-paritra, hoy hatrany I Bekoto sy Dama.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap