airtel

kolontsaina

12-mars-2024

Depiote Rossy_Rindran-tsary lasa resabe

«Ataovy lesona fa tsy gaigy daholo ireo manoratra ireo »

Sample post image

Niteraka adihevitra samihafa ilay rindran-tsary na « clip »

12-mars-2024

nataona andiana tanora, nanova ny fomba fihirana ilay hiram-pitoloman’ny RMDM « Mitsangana ry Tanora ». Betsaka ny tsikera nivaivay, tsy fankasitrahana ny ankamaroany. « Saika hiteny aho saingy ampy isainan’izay nanao azy ny « réactions »-n’ny olona zato isan-jato manompa reny ato amin ny facebook. Vakio fotsiny ny « commentaires » dia ataovy lesona fa tsy gaigy daholo ireo manoratra ireo. Ohatr’izay koa ny mahazo ny mpanao propagandy mizara koveta sy manao selfie am-body fako ato,... Ompa variraraka tsy misy sitraka mihintsy. », hoy ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy, izay sady mpanakanto rahateo. Tsara ny manamarika, fa raha ny hita tany aloha sy ny mombamomba ireo lohandohan’ny mpisorona nanao io fikitihana io hira io, dia olona akaiky sy niara-niasa tamin’i Andry Rajoelina Filoha ankehitriny tamin’ny hetsika ara-pivavahana samihafa.
Toky R

 

Dans la même rubrique