airtel

kolontsaina

03-juin-2022

kolontsaina

Didim-poitra faobe tao ambohibao atsimo Notoloran’ny Filoha kilalao ireo ankizy

Sample post image

Zazalahy kely manodidina ny 200 isa no indray noforaina maimaim-poana ny faran’ny herinandro teo tao anatin’ny kaominina Ambohibao Atsimo, distrikan’i Manjakandriana.

03-juin-2022

Ny Ben’ny tanana Fidy Bariniaina no nanao ny fandidiana tamin’izany, hetsika izay tafiditra tao anatin’ilay foaram-bokatra fanaon’ny kaominina isan-taona, isaky ny faran’ny volana mey. Somary niavaka ny tamin’ity taona ity raha oharina tamin’ireo tanora maromaro teo aloha. Efa roa taona mantsy izay no tsy nisy intsony izany vokatry ny fisian’ny valan’aretina Covid 19.Nahazo tombony mantsy ireo zaza natao hasoavana tamin'io fotoana io satria samy nahazo kilalao sy bisikoitra avokoa izy rehetra,fanomezana avy amin'ny Filoha Rajoelina noho ny fanohanany ny kaominina Ambohibao Atsimo, hoy ny Ben'ny tanana. Tsiahivina moa fa fotoana iray nahafahan’ireo vahoaka tao amin’ity kaominina ity nanolotra fanampiana ho an’ny kaominina ihany koa ny foaram-bokatra notronin’ny zanaka am-pielezana hahafahana mampitombo ny teti-bolan’ny kaominina hiatrehana ny asa fampandrosoana. Tonga nanafana ny lanonana ny tarika Mizara Fitia, notronin’ireo sekoly sy manan-talenta maro avy any amin’ny Fokontany. Mbola hitohy amin’ny 26 Jona ho avy izao ny hetsika, tsingerin-taona faha-62 nahazoantsika ny fahaleovantena. Hisy indray ny didim-poitra faobe maimaim-poana hotanterahin’ny Ben’ny tanana Fidy Bariniaina. Mialoha izany anefa dia hisy ny kabary hifandimbiasana. Hisy ihany koa ny fanomezam-baovao ny vahoaka mikasika ireo zava-bita sy ny zavatra mbola hatao ao anatin’ny kaominina Ambohibao Atsimo, hetsika izay hofaranana amin’ny matso hotontosain’ny mpianatra.
Pati
Legende : Nandritra ny famorana notanterahina tany amin’ny kaominina Ambohibao Atsimo
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap