Raha ny eto Madagasikara manokana dia mana-talenta avokoa ny mpandihy Malagasy na ireo manao vako-drazana hatrany amin’ireo manao dihy maoderina ary isany misongadina ny tanora Malagasy eo amin’ireo fifaninana afrikanina samihafa.
OLANA NY HO ENTI-MANANA
Olana saika iraisan’izy ireo kosa ny resaka enti-manana hiatrehana izany. Raha eo amin’ny tontolo dihy maoderina manokana dia maro ny fifaninana iraisam-pirenena azon’ireo tanoara Madagasy handraisana anjara raha ny fanazavana saingy miady irery matetika ny federasionina amin’ny fandefasana azy ireo. Iray amin’ireo festival nandraisan’i Madagasikara anjara ny andiany faharoa tamin’ny Festival « Bouzé Océan Indien » notanterahana tao Maorisy ny 7 Jolay hatramin’ny 21 Jolay lasa teo. Tanora telo mianadahy misehatra eo amin’ny dihy no niaro ny voninahitr’i Madagasikara tao anatin’ny fifaninana “wake up session Champion ocean Indien et Afrique austral” nandritra io festival io. Samy namiratra avokoa moa izy ireo satria voahosotra ho “champion” tamin’ny dihy hip hop i Fabio Joséa Rakotoarison na Fabyo Kydo. Samy “vice champion” kosa I Annie Onitiana Andrianantenaina na Petite Coca izay nandray anjara teo amin’ny dihy afro style sy I Lukah Rehava na Loup-Kass nandray anjara teo amin’ny dihy “breaker”. Faharoa tamin’ireo firenena 9 nandray anjara isika.
ENCADRE
Tsiahivina fa tontolo iray hifangaroana fanatanjahantena sy kolontsaina ny dihy hip-hop ary isany efa manana toerany tanteraka amin’izao fotoana.
Lalaina RAV