airtel

kolontsaina

10-févr-2025

Dikan’ny hasina

«Tsy mazava amin’ny ankizy maro intsony»

Sample post image

Ny zavatra atao raha vao tsy omena hasina dia tsy misy lanjany, tsy misy antony ary misy dikany,

10-févr-2025

hoy ny kintan’ny taranja Tennis malagasy teo aloha, Dally Randriantefy. Mba hanontanio ny ankizy manodidina anareo hoe midika inona izany hoe hasina, hoy izy, mba dinihina ny valiny? Ny dikan'ny hasina dia efa tsy mazava amin'ny ankizy maro intsony. Ilay fanomezan-kasina ny mahaolona, ny fanaovan-javatra ary ny zava-drehetra manodidina ny tsirairay io mihitsy no tokony hiverenana ifotony. Tsy ho anatin'ilay foto-pisainana sy toetsaina mendrika tadiavina mihitsy ny ankizy raha tsy azon'izy ireo ny dikan'ny hoe Hasina sy fanomezan-kasina ny tontolo rehetra. Atao mazava fa tsy ny any am-piangonanana irery ihany no manan-kasina akory fa manomboka amin'ny tena ary miitatra amin'izay manodidina ny tena rehetra na hevitra io na manana aina na zavatra atao. Soa fa mbola betsaka ireo olona mitondra ny anarana hoe Hasina. Tsy very izany izy io fa adino amin'ny andavan'andro. Matetika koa tsy azon'ny olona maro mazava tsara hoe inona izy io, hoy hatrany izy?
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Rehefa manakaiky toy izao ny fety ny reny dia tsy vitsy ireo magazay

Card image cap
22-mai-2025

Raikitra ny Fetin’ny Maman’ty grand retour amin’ity taona 2025 ity

Card image cap