airtel

kolontsaina

18-août-2026

Doany Andriamanongavol

ao Alasora Nisy nigafy sy nisompatra indray

Sample post image

Nitrangana asa fanimbana sy fandotoana

18-août-2026

ny Doany Andriamanongavola ao Alasora, toerana sokajian’ireo mpandala ny nentin-drazana ho masina sy lova ara-kolontsaina hajain’ny maro. Voalaza fa ny alin’ny alahady hifoha omaly alatsinainy no nisehoan’ny loza : niditra an-tsokosoko ireo olon-dratsy, nandoto sy nanakorontana ny toerana, ary norovitina sy nohitsahina mihitsy ny sainam-pirenena napetraka teo. Voalaza fa tsy vao izao no niharan’ny fanimbana ny Doany Andriamanongavola. Efa nisy fotoana hafa taloha nahitana tranga mitovy amin’izao. Naneho alahelo lalina sy fahatezerana ireo mpandala ny fomban-drazana, satria amin’izy ireo, dia heverina ho toerana masina sy lova ara-tantara tokony hohajaina ny Doany. Mbola tsy fantatra hatreto ny tompon’antoka sy ny antony nahatonga izao zava-nitranga izao, saingy mampanahy ny fiverimberenan’ny asa fanimbana misesy hatrizay izay tsy tamin’io toerana io ihany, fa tamin’ireo toerana samihafa mitovitovy aminy, toy ireo rova sy lapa may izay vao telo volana lasa ohatra ny teny Ambohidratrimo, ny fanotana fady nananganana « colisée » eny Anatirova,… Tsy fombana ara-pinoana sy ara-pomba sanatria ary manan-tsafidy amin’izay fomba sy finoana tiana harahina sy toavina ny isam-batan’olona, eny tsy ho tapitra ny adihevitra raha hifanenjika sy hifampisompatra, fa mila mahay miara-miaina ao anatin’ny fahasamihafana, mifanaja amin’ny safidin’ny hafa kosa. Ara-pinoana, voasokajy ihany koa ao anatin’ny antsoina hoe : « polythéistes » na manafangoro finoana sy fombafomba samihafa ny ankamaroan’ny Malagasy raha ny fandalinana amin’ny tontolon’ny anthropologie na ny haiolona, ka tokony ho afaka hiara-hiaina ao anatin’ny fahasamihafa na tsy fitoviana ara-pinoana.
Toky R


 

Dans la même rubrique