Ny ratra mety sitrana. Ny alahelo mbola hisava. Ny fery tsy maintsy ho maina. Manàna finoana fa tsy maintsy tafita isika vahoaka malagasy. Tsy hamela antsika vahoakany irery izany Andriamanitra fa tsy maintsy hampandresy an'izay matoky sy mahatoky azy izy. Aza mitonona ho mpanao politika raha ny fitiavan-tena sy kajikajy hampetipety ny fiainanao no hilazanao fa tia tanindrazana! Tsy rariny amiko raha ny fikendrena hanam-be no lazaina fa fitiavan-tanindrazana. Andao ny firenena no tsinjovina ary ny soa iombonana no katsahina, hoy hatrany ity mpanao politika ity.
J. Mirija
Rehefa manakaiky toy izao ny fety ny reny dia tsy vitsy ireo magazay
Raikitra ny Fetin’ny Maman’ty grand retour amin’ity taona 2025 ity
Hanolotra seho miavaka ny Tarika Solika ho fankalazàna ny fetin’ny reny ny