airtel

kolontsaina

15-nov-2021

kolontsaina

Erick Manana Namarana ny seho 2021 eto Madagasikara

Sample post image

Nafana ny fiarahana tetsy amin’ny CC ESCA ny takarivan’ny zoma teo niaraka tamin’ny mpanakanto mpivoy Ba gasy, Eric Manana sy Feo gasy ary Bebey sy Benny.

15-nov-2021

 Nitohy teny amin’ny "Rilatsy Buffet By Pass" moa ny fiarahana ny alin’ny sabotsy niaraka tamin’I Eric Manana. Isan’ireo vahiny tsy nampoizina nandray anjara tamin’ity seho namarana ny taona 2021 eto Madagasikara ho an’I Erick Manana ity moa i Dama ao amin’ny tarika Mahaleo sy ny zanany. “Tsiky malefaka, fijerinao ankamantatra…”, “Ny fitiavako an’I Mama, tsy mivaky fa mafonja…”, “Izay ratranao dia feriko…” mbola samy niaraha-nihira sy nanakoako avokoa teny amin’ireo toerana nandalovan’ity mpanakanto ity izany tononkira rehetra izany nandritr’ireo alin’ny fiafaran’ny herinandro ireo.
J. Mirija
Legende: Takariva gasigasy tetsy amin’ny CC ESCA
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Araka ny rafitra iraisam-pirenena momba ny tantara an-tsehatra na teatra dia isaky ny 27 martsa

Card image cap
27-mars-2024

Hafotaka ny fankalazana ny fetin’ny Paska amin’ity taona 2024 ity ho an’ny ao Antsirabe,

Card image cap
26-mars-2024

Ny alatsinain’ny Paska izao, izany hoe afaka 6 andro, no handeha ao amin’ny

Card image cap