Sandratra, tafiditra anaty fanamarihana ny faha 35 taona nijoroany. Hiatrika famaranana amin'ny fiantsana tononkalo ireo 15 mianadahy tafakatra tamin'ny fifaninanana andiany voalohany tetsy amin'ny CGM Analakely ny volana aogositra lasa teo. Miisa 26 te ho eo ireo mpandray anjara fa 15 ny tafakatra amin'ny dingana famaranana izay atao etsy amin'ny CGM Analakely, ny 28 septambra, manomboka amin'ny 3 ora tolakandro. Tsy ao anaty Faribolana Sandratra ireo mpifaninana, saingy ny asa soratr'ireo mpiraifaribolana no masontsivana velomin'izy ireo, raha ny fanazavana. " Ho fampiroboroboana ny literatiora hatrany no tanjon'ny Faribolana Sandratra, manandratra ny teny malagasy ary misokatra amin'ny fiara-miasa hatrany izahay... " hoy i Narilala, poeta, anisan'ireo komity mpikarakara ity hetsika ity ao amin'ny Faribolana Sandratra. Mpitsara matihanina sy manana ny toerany eo amin'ny sehatry ny haisoratra no hitsara ireo mpifaninana. Hisy mpanakanto hanafana ny sehatra, toa an-dry Serge Groupe. Eo ambany fiahian'ny Minisiteran'ny kolontsaina moa ity hetsika ity.
Toky R
Tsy misy resa-politika na kely aza ny festival Makua hoy ny mpanankato Denise omaly
Homarihina sy hankalazaina mandritra ity volana Jona ity ny iray volan'ny ankizy.