Ho fanokafana ny faha 50 taonany, ny tarika Voamaintilany, dia hanomboka izany fankalazàna izany amin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana rahampitso sabotsy 19 septambra 2026 amin’ny 9 ora sy sasany ao amin’ny FJKM Amboninampamarinana, hoy ny fampitàm-baovaon’izy ireo. Ny Vaomaintilany moa dia tarika mpiangaly kalon’ny fahiny eo anivon’ny Lisea Gallieni Andohalo, hoy ny fanazavàna. Araka ny teny filamatr’izy ireo manao hoe «Handeha mba hanahaka ny voamaintilany, ny mena sy ny mainty mitambatra hatrany» dia karazan-java-maniry miloko mena mifangaro mainty koa ny voamaintilany ary isan’ireo zava-maniry manasitrana. Nofidian’ny mpianatra sy mpanabe teo anivon’ny lisea Andohalo, araka izany, ny hitondra ny anaran’io zava-maniry io ho tarika hiangaly kalon’ny fahiny tamin’ny 50 taona lasa, raha ny fanazavàna voaray hatrany. Nomarihin’ny Pr Ranjeva Raymond, izay akademisianina, tetsy ankilan’izay fa eo ambany fihasinany ity fotoan-dehibe ity. Fihasinana, hoy izy, satria tsy zaza intsony izany 50 taona izany ka mbola mila fihahiana fa efa mila mitombo hasina kosa.
Nangonin’i J. Mirija