airtel

kolontsaina

10-juin-2024

kolontsaina

Faha 80 taonan’i Bessa Ho marihina ao Frantsa

Sample post image

Ao amin'ny théâtre Longjumeau, 91 Essonne , Frantsa, ny 29 jona 2024 izao no fotoana

10-juin-2024

miaraka amin’i Bessa sy Lola. Ho marihina ao Frantsa, araka izany, amin’io fotoana io ny faha 80 taonan’i Bessa, mpanakanto, mpamoron-kira izay azo ambara ho filamatr’ireo mpanakanto malagasy nitety vanim-potoana maro niaraka tamin’ny vadiny, Lola. Vahinin’izy ireo manokana moa i Poopy sy Bodo, izay heverina ihany koa fa nisantatra ny tombontsoa tamin’ny kanto noforonin’izany Bessa izany. «Mivady ny fitia», «Harmonia», «Ilay inoako», «Toaka tapany», «Mpitaky hetra», maro dia maro ireo sangan’asan’izany mpanakanto izany, izay tsy hoe nirainy irery ihany fa nindramina na nomeny mpanakanto malagasy maro hafa ihany koa.
J. Mirija


 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Hatramin’izao dia mbola tsy eken’ny fanjakana malagasy ho andro tsy fiasana

Card image cap